Isaiah 21:11
Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Edoma. Misy miantso ahy any Seïra manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 25:14sy Misma sy Doma sy Masa
Genesis 32:4Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin’ i Esao rahalahiny, ho any Seïra, tanin’ i Edoma.
Deuteronomy 2:5ka aza mila ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny taniny, na dia eram-paladia akory aza, satria nomeko ho lovan’ i Esao ny tendrombohitra Seïra.
1 Chronicles 1:30sy Misma sy Doma sy Masa sy Hadada sy Tema
Isaiah 21:6Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.
Isaiah 34:5Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin’ ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin’ i Edoma iny sy amin’ ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy.