Bokin'i Isaia 21:12
Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 17:14Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’ izay mamabo antsika sy tambin’ izay mandroba antsika.
Jeremiah 42:19Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin’ ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo.
Ezekiel 7:5Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy!
Ezekiel 7:12Mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro; aoka tsy hifaly ny mpividy, ary aoka halahelo ny mpivarotra; Fa iharan’ ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra.
Ezekiel 18:30Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin’ ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
Acts 2:37Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’ i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?