Bokin'i Isaia 37:21
Ary Isaia, zanak’ i Amoza, dia naniraka hankany amin’ i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin’ ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 15:31Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan’ ny mpiray tetika amin’ i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’ i Ahitofela.
2 Kings 19:20Ary Isaia, zanak’ i Amoza, dia naniraka hankany amin’ i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, dia efa nohenoiko.
Psalms 91:15Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.
Isaiah 38:3hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
Isaiah 58:9Ary amin’ izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan’ ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
Daniel 9:20Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin’ ny fahotan’ ny Isiraely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitro ho an’ ny tendrombohitra masin’ Andriamanitro,