Bokin'i Daniela 9:20
Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin’ ny fahotan’ ny Isiraely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitro ho an’ ny tendrombohitra masin’ Andriamanitro,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 10:1Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin’ ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin’ ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
Psalms 137:5Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.
Ecclesiastes 7:20Fa tsy misy olona marina ambonin’ ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
Isaiah 56:7Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masìna, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin’ ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra.
Isaiah 62:6Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangìna ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’ i Jehovah, aza mitsahatra;
Daniel 9:3Ary nampanatrehiko an’ Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin’ ny fifadian-kanina ny lamba fisaonana ary ny lavenona.