The Bible Software
Bokin'i Isaia · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'i Isaia 39

1Tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Merodaka-baladana, zanak’ i Baladana, mpanjakan’ i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’ i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.

2Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’ izay rehetra tao amin’ ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon’ i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ ny fanjakany rehetra.

3Dia nankany amin’ i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.

4Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin’ ny firaketako rehetra.

5Ary hoy Isaia tamin’ i Hezekia: Henoy ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro:

6Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.

7Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ i Babylona ireo.

8Dia hoy Hezekia tamin’ Isaia: Tsara ny tenin’ i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin’ ny androko handry fahizay.

← Bokin'i Isaia 38Read In The App, Free →Bokin'i Isaia 40 →

Study Bokin'i Isaia 39

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566