Bokin'i Isaia 49:13
Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ ny olony mahantra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Fa hoy Ziona’ Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoto efa nanadino ahy.
Cross References
Psalms 89:13Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian’ i Tabara sy Hermona.
Psalms 96:12Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin’ izay ny hazo rehetra any an’ ala
Psalms 148:9Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
Isaiah 40:1Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
Isaiah 44:23Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin’ ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin’ izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin’ Isiraely.
Isaiah 52:9Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’ i Jerosalema.