Bokin'i Isaia 49:22
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin’ ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin’ ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 22:27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Psalms 72:8Ary hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy, ary hatramin’ ny ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.
Psalms 86:9Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
Isaiah 11:10Ary amin’ izany andro izany ny solofon’ i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
Isaiah 14:2Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak’ Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin’ ny tanin’ i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
Isaiah 49:12Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin’ ny tany Sinima ireto.