Bokin'i Isaia 7:13
Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak’ i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an’ Andriamanitro koa ianareo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an’ i Jehovah
Cross References
Numbers 16:9Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan’ Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin’ ny fiangonan’ ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin’ i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan’ ny fiangonana hanompo azy?
2 Chronicles 21:7Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak’ i Davida noho ny fanekena nataony tamin’ i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ ny taranany.
Isaiah 1:24Ka dia hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Ilay Maherin’ ny Isiraely: E! hiala fo amin’ ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
Isaiah 25:1Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin’ ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
Isaiah 63:10Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
Jeremiah 6:11Fa ny fahatezeran’ i Jehovah mahafeno ahy ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin’ ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin’ ny fiokoan’ ny zatovo izany; Fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, ary ny anti-panahy mbamin’ ny ela niainana koa;