Epistily nosoratan'i Jakoba 2:25
Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ ny asa va izy tamin’ ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ ny lalan-kafa?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany.
26Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.
Read all of Epistily nosoratan'i Jakoba 2
Cross References
Joshua 2:1Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
Joshua 2:6Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin’ ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin’ ny tampon-trano.
Joshua 2:19ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;
Joshua 6:22Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan’ i Josoa hoe: Mankanesa ao amin’ ny tranon’ ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.
Matthew 21:31Ka iza moa amin’ izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
James 2:18Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin’ ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ ny asako.