Bokin'i Jeremia 11:20
Nefa, ry Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 11
Cross References
Genesis 18:25Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
1 Samuel 24:15Hitady an’ iza no nivoahan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray.
1 Chronicles 28:9Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Job 5:8Fa raha toa ahy kosa dia hitady an’ Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
Psalms 7:10Aoka ho tapaka ny ratsy ataon’ ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
Psalms 35:2Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.