Jeremiah 14:21
Noho ny amin’ ny anaranao dia aza arianao izahay; Aza atao ho tsinontsinona ny seza fiandrianan’ ny voninahitrao; Tsarovy, ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Jehovah ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay; Fa efa nanota taminao izahay.
Cross References
Leviticus 26:11Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ ny fanahiko ianareo.
Deuteronomy 32:19Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy.
Psalms 74:2Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
Psalms 74:20Hevero ny fanekena; fa feno fonenan’ ny fandozana ny fitoera-maizina amin’ ny tany.
Psalms 89:39Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin’ ny voahosotrao Hianao.
Psalms 106:45Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben’ ny famindram-pony.