Bokin'i Jeremia 14:22
Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 14
Cross References
Deuteronomy 28:12Hovohan’ i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin’ ny taninao amin’ ny fotoany sy hitahiany ny asan’ ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.
1 Kings 8:36dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan’ ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin’ ny taninao, izay nomenao ho lovan’ ny olonao.
1 Kings 17:14Fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin’ ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin’ ny tavoara mandra-pihavin’ ny andro handatsahan’ i Jehovah ranonorana amin’ ny tany.
1 Kings 18:39Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
Job 28:26Raha nanao lalana ho an’ ny ranonorana Izy sy lalana halehan’ ny helatry ny kotrokorana,
Psalms 25:3Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.