Bokin'i Jeremia 14:9
Nahoana Hianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; Aza dia mandao anay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 14
Cross References
Exodus 29:45Ary honina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.
Leviticus 26:11Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ ny fanahiko ianareo.
Numbers 14:15Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
Deuteronomy 28:10Dia ho hitan’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa ny anaran’ i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.
2 Chronicles 7:14raha ny oloko izay nantsoina amin’ ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
Psalms 27:9Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.