Bokin'i Jeremia 15:4
Ary manolotra azy ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra amin’ ny tany Aho noho ny amin’ i Manase, zanak’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, dia noho izay nataony tany Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 15
Cross References
Deuteronomy 28:25Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany ianao.
2 Kings 21:2Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
2 Kings 21:15satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin’ ny andro nivoahan’ ny razany avy any Egypta ka mandraka androany.
2 Kings 23:26Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin’ ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran’ i Manase Azy.
Jeremiah 9:16Izao no lazain’ i Jehovah. Tompon’ ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;
Jeremiah 29:18Ary henjehiko amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an’ ny firenena izay nandroahako, azy