Bokin'i Jeremia 16:19
Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary fandosirako amin’ ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin’ ny faran’ ny tany dia hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan’ ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny.
Read all of Bokin'i Jeremia 16
Cross References
Psalms 18:1Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah, izay nilaza tamin’ i Jehovah ny tenin’ ity fihirana ity tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tanan’ i Saoly;
Psalms 19:14Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’ izay fahadisoana lehibe.
Psalms 27:5Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin’ ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
Psalms 46:7Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.
Psalms 62:2Andriamanitra tokoa no iantombenan’ ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
Psalms 65:3Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ ny nofo rehetra.