Bokin'i Jeremia 17:27
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasìna ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema ihany amin’ ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 17
Cross References
Deuteronomy 32:22Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin’ ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin’ ny tendrombohitra aza.
2 Kings 25:9ka nandoro ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.
Isaiah 1:20Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin’ ny sabatra: Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
Isaiah 9:18Noho ny fahatezeran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia efa maintin’ ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin’ ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
Jeremiah 7:20Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin’ ity tany ity, dia amin’ ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
Jeremiah 17:21Izao no lazain’ i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin’ ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema;