Bokin'i Jeremia 17:6
Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin’ ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin’ ny tany sira izay tsy onenana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Hotahina izay olona matoky an’ i Jehovah, dia izay manana an’ i Jehovah ho tokiny.
Read all of Bokin'i Jeremia 17
Cross References
Judges 9:45Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira.
2 Kings 7:19ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin’ ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan’ ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.
Job 15:30Tsy ho afaka amin’ ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon’ ny lelafo; ho levon’ ny fofonain’ Andriamanitra izy.
Job 39:6Izay nomeko ny tani’ hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
Psalms 92:7Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
Isaiah 1:30Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.