Bokin'i Joba 15:30
Tsy ho afaka amin’ ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon’ ny lelafo; ho levon’ ny fofonain’ Andriamanitra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin’ ny tany ny fananany.
31Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
Cross References
Job 5:14Na dia amin’ ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ ny maizina ireny ka miraparapa amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny alina;
Job 15:22Tsy manantena ho afaka amin’ ny maizina izy; Andrasan’ ny sabatra izy.
Job 18:18Roahina hiala amin’ ny mazava ho any amin’ ny maizina izy ary enjehina hiala amin’ izao tontolo izao.
Job 22:20Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon’ ny afo.
Isaiah 11:4Fa hotsarainy amin’ ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ ny tany; hamely ny tany amin’ ny tsorakazon’ ny vavany Izy, ary ny fofonain’ ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
Ezekiel 15:4Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon’ ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy?