Bokin'i Jeremia 20:5
Ary ny harena rehetra amin’ ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan’ ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babylona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 20
Cross References
2 Kings 20:17Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
2 Kings 24:13Ary navoakan’ i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, araka izay nolazain’ i Jehovah.
2 Chronicles 36:10Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin’ ny fanaka tsara tao an-tranon’ i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an’ i Zedekia rahalahin-drainy tamin’ ny Joda sy Jerosalema izy.
Jeremiah 3:24Fa lanin’ ilay mampahamenatra hatramin’ ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran’ ny razanay, dia ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.
Jeremiah 12:12Ny mpandrava dia tonga any amin’ ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy sabatr’ i Jehovah mandringana amin’ ny faran’ ny tany ka hatramin’ ny farany koa, ka dia tsy misy fiadanana ho an’ ny nofo rehetra.
Jeremiah 17:3Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin’ ny faritaninao rehetra.