The Bible Software
bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 21 › Bokin'i Jeremia 21:6

Bokin'i Jeremia 21:6

Ary hamely ny mponina amin’ ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin’ ny aretim-be mandringana izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And I will smite the inhabitants of this city, both man and beast: they shall die of a great pestilence.

In Context

5Ary Izaho no hiady aminareo amin’ ny tanana ahinjitra sy amin’ ny sandry mahery ary amin’ ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.

7Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.

Read all of Bokin'i Jeremia 21

Cross References

Isaiah 6:11Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;

Jeremiah 7:20Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin’ ity tany ity, dia amin’ ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.

Jeremiah 14:12Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.

Jeremiah 20:4Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an’ ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin’ ny sabatra.

Jeremiah 33:12Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Eto amin’ ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’ osiny,

Jeremiah 36:29Ary ny amin’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’ iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’ i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ ny biby eto?

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Jeremia 21:6

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Jeremia 21:5Bokin'i Jeremia 21Bokin'i Jeremia 21:7 →