Bokin'i Jeremia 23:8
Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak’ Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ ny tany avaratra sy avy tany amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin’ ny taniny izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 23
Cross References
Isaiah 11:11Ary amin’ izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin’ ny moron-dranomasina.
Isaiah 27:12Ary amin’ izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’ i Jehovah hatramin’ ny ony mandriaka ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’ Isiraely.
Isaiah 43:6Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ ny faran’ ny tany,
Jeremiah 16:14Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta;
Ezekiel 34:13Ary ho entiko mivoaka avy any amin’ ny firenena izy ka hangoniko avy any amin’ ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin’ ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin’ izay tsara honenana rehetra eran’ ny tany.
Ezekiel 36:35Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda;