The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 34 › Bokin'i Ezekiela 34:13

Bokin'i Ezekiela 34:13

Ary ho entiko mivoaka avy any amin’ ny firenena izy ka hangoniko avy any amin’ ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin’ ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin’ izay tsara honenana rehetra eran’ ny tany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And I will bring them out from the people, and gather them from the countries, and will bring them to their own land, and feed them upon the mountains of Israel by the rivers, and in all the inhabited places of the country.

In Context

12Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin’ izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin’ izay rehetra efa nielezany tamin’ ny andro mandrahona sy maizim-pito.

14Eny amin’ ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon’ ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin’ ny tany tsara, ary eny amin’ ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.

Read all of Bokin'i Ezekiela 34

Cross References

Psalms 106:47Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna Sy hifalianay amin’ ny fiderana Anao.

Isaiah 49:9ka hanao amin’ ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin’ izay ao amin’ ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany.

Isaiah 66:19Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin’ ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin’ ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin’ ny jentilisa izy.

Jeremiah 23:8Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak’ Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ ny tany avaratra sy avy tany amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin’ ny taniny izy.

Jeremiah 30:18Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin’ ny fahababoana ny lain’ i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin’ ny havoany, ary ny lapan’ andriana hitoetra ao amin’ izay mahamety azy.

Jeremiah 32:37Indro izy hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin’ ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin’ ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 34:13

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 34:12Bokin'i Ezekiela 34Bokin'i Ezekiela 34:14 →