Bokin'i Jeremia 25:38
Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan’ ny mpampahory sy noho ny firehetan’ ny fahatezerany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37Ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
Read all of Bokin'i Jeremia 25
Cross References
Jeremiah 4:7Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
Jeremiah 12:10Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra;
Jeremiah 49:19Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin’ ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana no hiakarany ho any amin’ ny misy ahitra mateza; Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
Hosea 5:14Fa amin’ i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ ny taranak’ i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
Hosea 13:7Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako.
Zechariah 2:3Ary dia nanehoan’ i Jehovah mpiasa efatra aho.