Bokin'i Jeremia 26:24
Nefa ny tànan’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nomba an’ i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan’ ny vahoaka hovonoiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 26
Cross References
2 Kings 22:12Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Akbora, zanak’ i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, hoe:
2 Chronicles 34:20sady nandidy an’ i Hilkia sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Abdona, zanak’ i Mika, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, ka nanao hoe:
Jeremiah 1:18Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon’ ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
Jeremiah 15:21Ary hanafaka anao amin’ ny tanan’ ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin’ ny tanan’ ny mpampahory.
Jeremiah 36:10Dia novakin’ i Baroka teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah ny tenin’ i Jeremia tamin’ ny taratasy, dia tao amin’ ny efi-tranon’ i Gemaria, zanak’ i Safana mpanoratra, teo amin’ ny kianja ambony, teo anoloan’ ny vavahady vaovao amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Jeremiah 36:12dia nidina nankany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izy ka nankao amin’ ny efi-tranon’ ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak’ i Semaia, sy Elnatana zanak’ i Akbora, sy Gemaria, zanak’ i Safana, sy Zedekia, zanak’ i Hanania, mbamin’ ny mpanapaka rehetra.