Bokin'i Jeremia 26:4
Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anoloanareo,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 26
Cross References
Deuteronomy 4:8Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?
Deuteronomy 11:32koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.
Deuteronomy 29:18ary raha ren’ izany olona izany ny tenin’ ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin’ ny mangetaheta.
Deuteronomy 31:20Fa rehefa entiko any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
Joshua 23:15Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’ i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
2 Chronicles 7:19Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany