Bokin'i Jeremia 27:8
Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hovaliako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin’ ny tànany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 27
Cross References
Jeremiah 25:9dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin’ ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.
Jeremiah 38:17Dia hoy Jeremia tamin’ i Zedekia: Izao ary no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin’ ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao;
Jeremiah 42:10Raha mbola honina amin’ ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin’ ny loza namelezako anareo.
Ezekiel 14:21Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Koa mainka raha alefako hamely an’ i Jerosalema izao fitsarako efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!