Bokin'i Jeremia 25:9
dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin’ ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,
Read all of Bokin'i Jeremia 25
Cross References
Leviticus 26:25Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin’ ny tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan’ ny fahavalo ianareo.
1 Kings 9:7dia hofongorako tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra;
2 Chronicles 36:21hanatanterahana ny tenin’ i Jehovah nampilazaina an’ i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin’ ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.
Isaiah 5:26Ary hanangana faneva ho amin’ ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran’ ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo;
Isaiah 13:3Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
Isaiah 44:28Ary milaza an’ i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin’ i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin’ ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.