Bokin'i Jeremia 30:20
Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia hovaliako izay rehetra mampahory azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 30
Cross References
Psalms 90:16Aoka hiseho amin’ ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin’ ny zanany.
Psalms 102:28Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
Isaiah 49:26Sady hampihinaniko ny nofon’ ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon’ ny ran’ ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao.
Isaiah 54:14Amin’ ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
Jeremiah 30:16Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina.
Jeremiah 50:33Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa azy.