Bokin'i Jeremia 30:21
Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Ary ianareo ho oloko, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
Read all of Bokin'i Jeremia 30
Cross References
Genesis 18:27Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin’ ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:
Genesis 18:32Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.
Numbers 16:5ka niteny tamin’ i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon’ i Jehovah izay Azy sy izay masìna ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
Numbers 17:12Dia nalain’ i Arona izany, araka izay nandidian’ i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan’ ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin’ ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ ny olona.
Deuteronomy 18:18Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.
2 Samuel 7:13dia io no hanao trano ho an’ ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan’ ny fanjakany ho mandrakizay.