Bokin'i Jeremia 31:16
Izao no lazain’ i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin’ ny tanin’ ny fahavalo ireny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 31
Cross References
Genesis 43:31Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro.
Ruth 2:12Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ ny elany ianao.
Ezra 1:5Dia niainga ny lohan’ ny firenen’ i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’ Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Ecclesiastes 9:7Mandehana, hano amin’ ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin’ ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’ Andriamanitra ela ny asanao.
Isaiah 30:19Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
Jeremiah 23:3Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin’ ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy