Bokin'i Jeremia 31:22
Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin’ ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 31
Cross References
Genesis 3:15Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
Isaiah 7:14Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’ anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.
Jeremiah 2:23Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ ny alehany,
Jeremiah 3:1Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin’ olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.
Jeremiah 3:6Ary hoy Jehovah tamiko tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon’ Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
Jeremiah 3:11Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.