Bokin'i Jeremia 31:37
Izao no lazain’ i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan’ ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak’ Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 31
Cross References
Job 38:18Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ ny fahalalahan’ ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
Proverbs 30:4Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ ny lambany? Iza no nahamisy ny faran’ ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ ny zanany? Fa toa fantatrao!
Isaiah 54:9Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon’ i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’ i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
Jeremiah 33:22Toy ny hamaroan’ ny kintana eny amin’ ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak’ i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
Jeremiah 46:28Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
Romans 11:26ary amin’ izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, ― araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’ i Jakoba Izy;