Bokin'i Jeremia 33:22
Toy ny hamaroan’ ny kintana eny amin’ ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak’ i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Read all of Bokin'i Jeremia 33
Cross References
Genesis 13:16Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Genesis 22:17dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ ny fahavalony;
Psalms 22:30Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin’ ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’ izay rehetra efa hidina any amin’ ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.
Psalms 89:29Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
Isaiah 66:21Ary avy amin’ ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah.
Ezekiel 37:24Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.