Bokin'i Jeremia 31:38
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’ i Jehovah hatramin’ ny tilikambon’ i Hananela ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 31
Cross References
2 Chronicles 26:9Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin’ ny vavahady an-jorony sy teo amin’ ny vavahady mankao amin’ ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy.
Nehemiah 3:1Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ ny tilikambo Hamea ka hatramin’ ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
Psalms 102:17Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy;
Jeremiah 23:5Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’ i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany.
Jeremiah 31:27Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda Ny taranak’ olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
Daniel 9:25Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’ izay andro mampahory.