Bokin'i Jeremia 32:25
Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana aza ny tanàna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:
Read all of Bokin'i Jeremia 32
Cross References
Psalms 97:2Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany.
Jeremiah 32:15Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin’ ity tany ity.
Jeremiah 34:17Koa izao no lazain’ i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an’ ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an’ ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra amin’ ny tany ianareo.
Romans 11:33Endrey ny halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!