The Bible Software
bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 34 › Bokin'i Jeremia 34:9

Bokin'i Jeremia 34:9

mba samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

That every man should let his manservant, and every man his maidservant, being an Hebrew or an Hebrewess, go free; that none should serve himself of them, to wit, of a Jew his brother.

In Context

8Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin’ ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy,

10Ka dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka.

Read all of Bokin'i Jeremia 34

Cross References

Genesis 40:15fa nangalarina mihitsy avy tany amin’ ny tanin’ ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin’ ity lavaka ity aho.

Exodus 3:18Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin’ ny mpanjakan’ i Egypta ianao sy ny loholon’ ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray.

Deuteronomy 15:12Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin’ ny taona fahafito.

1 Samuel 4:9Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia.

Jeremiah 25:14Fa ireo kosa indray dia hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan’ ny tànany avy izy.

Jeremiah 30:8Fa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Jeremia 34:9

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Jeremia 34:8Bokin'i Jeremia 34Bokin'i Jeremia 34:10 →