Bokin'i Jeremia 35:1
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 35
Cross References
2 Kings 24:1Tamin’ ny andro nanjakan’ i Joiakima no niakaran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.
Jeremiah 1:3sy tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda koa, ka hatramin’ ny faran’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia hatramin’ ny namaboana an’ i Jerosalema tamin’ ny volana fahadimy.
Jeremiah 25:1Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia ny amin’ ny Joda rehetra tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona
Jeremiah 36:1Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah izao teny izao hoe:
Jeremiah 36:29Ary ny amin’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’ iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’ i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ ny biby eto?
Daniel 1:1Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, no nankanesan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.