Bokin'i Jeremia 35:17
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely Indro, hataoko mihatra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 35
Cross References
Genesis 6:17Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin’ ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin’ ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin’ ny tany.
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Deuteronomy 31:20Fa rehefa entiko any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
Joshua 23:15Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’ i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
Proverbs 13:13Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.
Isaiah 50:2Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin’ ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian’ ny rano sady matin-ketaheta.