Bokin'i Jeremia 37:18
Ary hoy koa Jeremia tamin’ i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin’ ny mpanomponao, na tamin’ ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina aho?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 37
Cross References
1 Samuel 24:9Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an’ i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin’ ny tany Davida ka niankohoka.
Proverbs 17:13Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
Jeremiah 26:19Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an’ i Jehovah va izy ka nifona tamin’ i Jehovah, ka dia nanenenan’ i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin’ ny tenantsika.
John 10:32Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
Acts 24:16Ary amin’ izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva.
Acts 25:11Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan’ ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin’ ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan’ i Kaisara aho.