Bokin'i Jeremia 40:11
Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin’ ny taranak’ i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, ho mpanapaka azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 40
Cross References
Numbers 22:1Ary ny Zanak’ Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
1 Samuel 11:1Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin’ i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin’ i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
Isaiah 16:4Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren’ i Moaba ianao, mba tsy ho azon’ ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin’ ny tany intsony ny mpanosihosy.
Jeremiah 43:5Fa Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin’ ny Joda, izay niverina avy tany amin’ ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin’ ny tanin’ ny Joda,
Ezekiel 5:3Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin’ ny sisin-dambanao.
Ezekiel 25:2Ry zanak’ olona, manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy,