The Bible Software
bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 40 › Bokin'i Jeremia 40:10

Bokin'i Jeremia 40:10

Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa ianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin’ ny fitehirizanareo, dia monena amin’ izay tanàna nidiranareo.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

As for me, behold, I will dwell at Mizpah to serve the Chaldeans, which will come unto us: but ye, gather ye wine, and summer fruits, and oil, and put them in your vessels, and dwell in your cities that ye have taken.

In Context

9Ary Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nianiana taminy sy tamin’ ny olona-peheziny nanao hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin’ ny tany, ka manompoa ny mpanjakan’ i Babylona, dia hahita soa ianareo.

11Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin’ ny taranak’ i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, ho mpanapaka azy,

Read all of Bokin'i Jeremia 40

Cross References

2 Samuel 16:1Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon’ ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon’ i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.

Isaiah 16:9Koa izany no hitomaniako ny voalobok’ i Sibma, toy ny fitomanian’ i Jazera, handena anao amin’ ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin’ ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.

Jeremiah 39:10Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ ny tanin’ ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’ izany andro izany.

Jeremiah 40:12dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin’ ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin’ ny tanin’ ny Joda ho any amin’ i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.

Jeremiah 48:32Mihoatra noho ny fitomanian’ i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’ i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ ny ranomasin’ i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.

Luke 21:36Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Jeremia 40:10

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Jeremia 40:9Bokin'i Jeremia 40Bokin'i Jeremia 40:11 →