Bokin'i Jeremia 41:5
dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ary nony ampitson’ ny andro namonoana an’ i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
Read all of Bokin'i Jeremia 41
Cross References
Genesis 34:2Ary nahita azy Sekema, zanakalahin’ i Hamora Hivita, andriana tamin’ izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
Deuteronomy 14:1Zanak’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin’ ny handrinareo noho ny amin’ ny maty.
Joshua 24:32Ary ny taolan’ i Josefa, izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin’ ny tany izay novidin’ i Jakoba volafotsy zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema; dia tonga lovan’ ny taranak’ i Josefa izany.
1 Samuel 1:7Ary izany no fanaon’ i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon’ i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren’ ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
1 Kings 12:1Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
1 Kings 16:24Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin’ i Samera ny havoan’ i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon’ ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran’ i Samera, tompon’ ny havoana, ny anaran’ ny tanàna.