Bokin'i Jeremia 43:12
Ary handrehitra afo ao amin’ ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin’ ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin’ ny fiadanana izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 43
Cross References
2 Samuel 5:21Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan’ i Davida sy ny olony ireny.
Job 40:10Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
Psalms 109:18Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin’ ny taolany tahaka ny diloilo;
Psalms 132:18Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.
Isaiah 21:9Koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’ ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ ny tany.
Isaiah 49:18Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon’ ny ampakarina.