Bokin'i Jeremia 47:5
Voaharatra Gaza, ringana Askelona mbamin’ ny sisa amin’ ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 47
Cross References
Leviticus 19:28Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin’ ny tenanareo: Izaho no Jehovah.
Deuteronomy 14:1Zanak’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin’ ny handrinareo noho ny amin’ ny maty.
1 Kings 18:28Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin’ ny tenany.
Jeremiah 16:1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
Jeremiah 25:20ary ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany Oza sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tanin’ ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa any Asdoda;
Jeremiah 47:1Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an’ i Gaza.