Bokin'i Jeremia 5:19
Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin’ ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ ny tany izay tsy anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Nefa na dia amin’ izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.
20Ambarao ao amin’ ny taranak’ i Jakoba, ary torio ao amin’ ny Joda hoe:
Cross References
Deuteronomy 4:25Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
Deuteronomy 29:24Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
1 Kings 9:8ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan’ izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon’ i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
Jeremiah 2:13Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon’ aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
Jeremiah 9:12Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko,
Jeremiah 16:10Ary raha ambaranao amin’ ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin’ i Jehovah Andriamanitray?