Bokin'i Jeremia 50:38
Ny fihantonan’ ny andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny sampiny mahatahotra mahadala azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 50
Cross References
Judges 6:30Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’ i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran’ i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.
Isaiah 44:27Ary milaza amin’ ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao,
Jeremiah 50:2Ambaraonareo, eny, torio any amin’ ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
Jeremiah 51:7Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan’ i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan’ ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.
Jeremiah 51:44Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan’ i Babylona dia hirodana.
Jeremiah 51:52Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran’ ny taniny rehetra ny voatrobaka.