Bokin'i Jeremia 50:41
Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin’ ny faran’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 50
Cross References
Isaiah 13:2Manangàna faneva eo an-tampon’ izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin’ ny vavahadin’ ireo mpanapaka.
Jeremiah 6:22Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin’ ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin’ ny faran’ ny tany;
Jeremiah 25:14Fa ireo kosa indray dia hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan’ ny tànany avy izy.
Jeremiah 50:3Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy ka hahatonga ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; Fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa avokoa.
Jeremiah 51:1Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin’ ny mpandringana hamely an’ i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.
Jeremiah 51:27Manangana faneva eny amin’ ny tany; Mitsofa anjomara any amin’ ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan’ i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.