Bokin'i Jeremia 51:10
Nasehon’ i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’ i Jehovah Andriamanitsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Psalms 37:6Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
Psalms 102:19Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah;
Psalms 118:17Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’ i Jehovah.
Isaiah 24:14Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan’ i Jehovah dia hiantso mafy eny amin’ ny ranomasina izy hoe:
Isaiah 51:11Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Jeremiah 31:6Fa mbola hisy andro hiantsoan’ ny mpitazana any amin’ ny tany havoan’ i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin’ i Jehovah Andriamanitsika.