Bokin'i Jeremia 51:16
Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin’ ny faran’ ny tany; Manao ny helatra ho an’ ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny firaketany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Exodus 10:13Dia nahinjitr’ i Mosesy tambonin’ ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin’ ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
Exodus 14:21Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan’ i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
Job 37:2Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ ny vavany.
Job 38:22Moa efa niditra tany amin’ ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
Job 40:9Manan-tsandry tahaka ny an’ Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
Psalms 29:3Ny feon’ i Jehovah no eny ambonin’ ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin’ ny rano be.