Bokin'i Jeremia 51:3
Izay manenjana tsipìka mbamin’ izay miandranandrana amin’ ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian’ izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano avokoa ny miaramilany rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Psalms 137:9Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin’ ny harambato.
Jeremiah 9:21Ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin’ ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
Jeremiah 50:14Milahara manodidina hamely an’ i Babylona, ianareo rehetra izay manenjana tsipìka; Asio izy, fa aza tsitsina ny zana-tsipìka, fa tamin’ i Jehovah no nanotany.
Jeremiah 50:27Vonoy ireo ombilahy rehetra, ary aoka hidina ho any amin’ ny famonoana izy. Mahita loza izy, fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamaliana azy.
Jeremiah 50:41Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin’ ny faran’ ny tany.
James 2:13Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’ izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.